Bokin'ny Tantara 36:22
Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Perisa, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 36
Cross References
1 Kings 11:14Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an’ i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan’ ny mpanjakan’ i Edoma.
1 Chronicles 5:26Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.
2 Chronicles 24:9Ary nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’ i Jehovah ny hetra izay nasain’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, haloan’ ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
2 Chronicles 36:21hanatanterahana ny tenin’ i Jehovah nampilazaina an’ i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.
Ezra 1:5Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Isaiah 13:17Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.