Bokin'ny Tantara 36:23
Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 36
Cross References
1 Chronicles 29:5ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon’ ny tanan’ ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah anio?
Psalms 75:5Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
Isaiah 44:26Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
Jeremiah 27:6Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
Daniel 2:37Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
Daniel 5:18Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an’ i Nebokadnezara rainao;