Bokin'ny Tantara 5:10
Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’ i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’ i Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ isiraely, tamin’ ny nivoahany avy tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 5
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Exodus 31:18Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.
Exodus 32:19Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ ny tendrombohitra.
Exodus 40:20Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.
Deuteronomy 29:1Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah teo imasonareo tany amin’ ny tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
2 Chronicles 6:11Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran’ ny faneken’ i Jehovah, ilay nataony tamin’ ny Zanak’ isiraely.