Bokin'ny Tantara 5:12
ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 5
Cross References
Numbers 10:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
1 Chronicles 6:33Ary ny Levita rahalahin’ ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ ny tabernakelin’ ny tranon’ Andriamanitra.
1 Chronicles 13:8Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
1 Chronicles 15:24Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
1 Chronicles 16:4Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
1 Chronicles 23:5ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’ i Jehovah amin’ ny zavatra namboariko hiderana Azy.