Bokin'ny Tantara 5:14
ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 5
Cross References
Exodus 40:35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
2 Chronicles 7:1Ary rehefa vita izany vavak’ i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.
2 Chronicles 20:6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
Ezekiel 10:4Dia niakatra niala teo amin’ ny kerobima ny voninahitr’ i Jehovah ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Jehovah.
Revelation 15:8Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ ny anjely fito.