Bokin'ny Tantara 6:17
Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin’ i Davida mpanomponao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 6
Cross References
Exodus 24:10Dia nahita an’ Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ ny tongony dia toy ny fanganohanon’ ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ ny lanitra ny famirapirany.
2 Chronicles 6:4ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin’ i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
Isaiah 41:17Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
Jeremiah 11:5Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’ izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!