Bokin'ny Tantara 6:32
Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ ny tany lavitra noho ny amin’ ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 6
Cross References
Exodus 12:48Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
Exodus 18:8Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ ny rafozany izay rehetra efa nataon’ i Jehovah tamin’ i Farao sy tamin’ ny Egyptiana noho ny amin’ ny Isiraely, mbamin’ ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen’ i Jehovah azy.
Joshua 9:9Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
Ruth 2:11Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin’ ny firenena tsy mbola fantatrao.
1 Kings 10:1Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa nahare ny lazan’ i Solomona ny amin’ ny anaran’ i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin’ ny fanontaniana sarotra,
2 Kings 5:8Ary rehefa ren’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin’ ny Isiraely.