Bokin'ny Tantara 6:36
Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
Read all of Bokin'ny Tantara 6
Cross References
Deuteronomy 4:26dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
Deuteronomy 28:64Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
1 Kings 8:46Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia ho entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
2 Kings 15:21Ary ny tantaran’ i Menahema sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
2 Kings 17:18Koa dia tezitra indrindra tamin’ ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
Job 15:14Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?