Bokin'ny Tantara 6:41
Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin’ ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masìna hifaly amin’ ny soa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 6
Cross References
Joshua 3:13ary raha vao mijanona eo amin’ ny rano Jordana ny faladian’ ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midìna avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
1 Chronicles 28:2Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ho an’ ny fitoeran-tongotr’ Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
Psalms 65:4Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
Psalms 110:2Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao.
Psalms 132:9Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masìna hihoby.
Isaiah 59:16Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.