Bokin'ny Tantara 7:11
Toy izany no nahavitan’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana, ary samy nataon’ i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-dapany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 7
Cross References
2 Chronicles 2:1Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
Ecclesiastes 2:10Ary na inona na inona nirin’ ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’ izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ ny fisasarako rehetra.