Bokin'ny Tantara 7:16
fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran’ ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin’ ity fitoerana ity;
Read all of Bokin'ny Tantara 7
Cross References
Deuteronomy 12:21Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.
1 Kings 8:16Hatramin’ ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran’ ny anarako; fa nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
1 Kings 8:44Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalon’ ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’ i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao izy,
1 Kings 9:3Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
2 Kings 21:7Ary ny sarin’ i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin’ ny trano nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
2 Chronicles 6:6fa nifidy an’ i Jerosalema Aho hitoeran’ ny anarako, ary nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.