Bokin'ny Tantara 7:9
Ary tamin’ ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 7
Cross References
Exodus 29:37Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masìna indrindra ny alitara, ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
Deuteronomy 16:8Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin’ izany.
1 Kings 8:65Ary tamin’ izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin’ ny folo andro.
Nehemiah 8:18Ary namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro izy hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.