Bokin'ny Tantara 8:6
ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’ i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 8
Cross References
1 Kings 7:2Fa nanao ilay trano Alan’ i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin’ ny andry sedera efatra an-dalana mbamin’ ny sedera rairainy teo ambonin’ ny andry.
1 Kings 10:26Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin’ ireo tanàna fitoeran’ ny kalesy sy tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
2 Chronicles 8:4Ary nanorina an’ i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
Ecclesiastes 2:4Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
Song of Solomon 4:8Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon’ i Amana, eny an-tampon’ i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.