Bokin'ny Tantara 9:23
Ary ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 9
Cross References
1 Kings 3:28Ary raha ren’ ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon’ ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren’ Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.
2 Chronicles 1:10Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
Proverbs 2:6Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
Isaiah 11:10Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Daniel 2:21Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ ny hendry sy fahalalana ho an’ izay mazava saina.
Luke 21:15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.