Bokin'ny Tantara 9:24
Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 9
Cross References
1 Samuel 10:27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
1 Kings 10:10Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen’ ny mpanjakavavin’ i Sheba ho an’ i Solomona mpanjaka.
2 Chronicles 9:9Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen’ ny mpanjakavavin’ i Sheba an’ i Solomona mpanjaka.
Job 42:11Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran’ i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
Psalms 72:10Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.