Bokin'ny Tantara 9:8
Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’ Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Tantara 9
Cross References
Deuteronomy 7:8fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ ny razanareo no nitondran’ i Jehovah anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nahandevozana dia tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta.
2 Samuel 15:25Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
1 Kings 3:28Ary raha ren’ ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon’ ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren’ Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.
1 Chronicles 17:22Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
1 Chronicles 29:10Koa dia nisaotra an’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’ Isiraely razanay, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
1 Chronicles 29:23Ary Solomona dia nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ i Jehovah ho mpanjaka handimby an’ i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.