Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1:7
Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1
Cross References
Luke 22:28Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ ny fakam-panahy nihatra tamiko;
1 Corinthians 10:13Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
2 Corinthians 7:9Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an’ Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin’ inona na amin’ inona.
Philippians 1:6ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ ny andron’ i Jesosy Kristy;
2 Thessalonians 1:4ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―
James 1:2Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy samy hafa ianareo,