Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12:21
eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin’ ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin’ ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12
Cross References
Exodus 32:31Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
Deuteronomy 9:25Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
Ezra 9:3Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
Psalms 119:136Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao.
Jeremiah 13:17Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
Romans 9:2fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ ny foko.