Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 13:4
Fa voahombo tamin’ ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’ Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 13
Cross References
Luke 22:43Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
Acts 2:36Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
Acts 4:10dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
Romans 6:4Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao.
Romans 14:9Fa izany no nahafatesan’ i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ ny maty sy ny velona Izy.
1 Corinthians 15:43afafy amin’ ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin’ ny voninahitra; afafy amin’ ny fahalemena izy, atsangana amin’ ny hery;