Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 2:13
dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 2
Cross References
Acts 20:1Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
2 Corinthians 7:5Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan’ ny nofonay, fa nampahorina tamin’ ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
2 Corinthians 8:6ka dia nangataka an’ i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
2 Corinthians 8:23Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.
Galatians 2:1Ary nony afaka efatra ambin’ ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
2 Timothy 4:10fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.