Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 3:9
Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban’ ny Fanahy?
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 3
Cross References
Exodus 20:18Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
Jeremiah 23:6Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Romans 3:21Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany,
Romans 5:15Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ ny maro, mainka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ ny fahasoavan’ ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ ny maro kosa.
Romans 10:3Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
1 Corinthians 15:41Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.