Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4:2
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’ Andriamanitra izahay; fa amin’ ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ ny fieritreretan’ ny olona rehetra eo imason’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’ izay ho very izany,
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4
Cross References
Romans 1:16Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.
1 Corinthians 4:5koa amin’ izany aza mitsara na inona na inona alohan’ ny fotoana, dia ny fihavian’ ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin’ Andriamanitra izy rehetra.
2 Corinthians 2:17Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.
2 Corinthians 6:4fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,
2 Corinthians 11:3Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.
2 Corinthians 11:13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.