Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4:5
Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin’ i Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For we preach not ourselves, but Christ Jesus the Lord; and ourselves your servants for Jesus’ sake.
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 4
Cross References
Matthew 20:25Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan’ ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
Luke 22:25Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
John 3:27Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
John 13:14Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
Acts 3:12Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’ izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
Acts 8:9Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;