Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5:15
ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5
Cross References
Ezekiel 16:6Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin’ ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
Ezekiel 37:14Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
Zechariah 10:9Ary hafafiko any amin’ ny firenena izy, Ka any amin’ ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin’ ny zanany ka hiverina
John 3:15mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
John 6:57Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
Romans 6:6fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.