Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9:13
satria ny fizahan-toetra anareo amin’ izany fanompoana izany no ankalazany an’ Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran’ i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin’ ny fiantrana ho azy sy ho an’ ny olona rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9
Cross References
Ruth 2:19Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran’ ny lehilahy, izay tompon’ ny tanimbary nitsimponako androany
Matthew 5:16Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
Luke 6:46Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
Acts 4:21Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an’ Andriamanitra noho ny amin’ ny zavatra efa natao.
Acts 21:19Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa izy.
Romans 16:26fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,