Epistily faharoa nosoratan'i Jaona 1:3
ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ ny fahamarinana sy ny fitiavana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:
Read all of Epistily faharoa nosoratan'i Jaona 1
Cross References
Zechariah 8:19Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ ny taranak’ i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
Galatians 5:6Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana.
1 Timothy 1:14Fa be indrindra ny fahasoavan’ ny Tompontsika tamin’ ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
1 John 2:23Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
2 John 1:1Izaho loholona mamangy an’ itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa)