Boky voalohan'ny Tantara 1:2
Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ ny makarakara teo amin’ ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ ity aretiko ity, na tsia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Moaba niodina tamin’ ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 1
Cross References
Judges 5:28Tao amin’ ny varavarankely no nitsirihan’ ny renin’ i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian’ ny kalesiny?
1 Samuel 5:10Ary dia naterin’ ny olona nankany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
1 Kings 14:3Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
1 Kings 22:40Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Kings 1:6Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
2 Kings 8:7Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’ Andriamanitra.