Boky voalohan'ny Tantara 13:12
Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 13
Cross References
1 Kings 14:19Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
2 Kings 13:14Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
2 Kings 14:11Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
2 Kings 14:16Ary Joasy lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Chronicles 25:17Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
2 Chronicles 25:22Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.