Boky voalohan'ny Tantara 13:25
Ary Joasy, zanak’ i Joahaza, naka indray teo an-tànan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain’ i Hazaela teo an-tànan’ i Joahaza, rain’ i Joasy, tamin’ ny ady. Intelo no nandresen’ i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary maty Hazaela, mpanjakan’ i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 13
Cross References
1 Kings 20:29Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin’ ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak’ Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin’ ny Syriana indray andro.
2 Kings 13:5Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin’ ny Isiraely, ka dia afaka tamin’ ny tanan’ ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 13:19Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.