Boky voalohan'ny Tantara 13:6
Kanefa tsy niala tamin’ ny fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin’ izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 13
Cross References
Deuteronomy 7:5Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.
1 Kings 14:16Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
1 Kings 16:26fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra nalehan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tamin’ ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
2 Kings 10:29Nefa Jeho tsy dia niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin’ ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
2 Kings 13:11Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy; fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin’ izany ihany izy.
2 Kings 17:20Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.