Boky voalohan'ny Tantara 13:7
Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 13
Cross References
1 Samuel 13:6Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin’ ny kirihitrala sy tany, amin’ ny harambato sy tany amin’ ny fierena ary tany amin’ ny lavaka famorian-drano izy.
1 Samuel 13:19Ary teny amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
1 Kings 20:27Ary ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak’ Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
2 Kings 10:32Tamin’ izany andro izany no niantombohan’ ny nanakelezan’ i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely rehetra
Isaiah 36:8Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’ i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
Isaiah 41:15Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.