Boky voalohan'ny Tantara 14:13
Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 14
Cross References
2 Kings 25:6Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
2 Chronicles 33:11Dia nentin’ i Jehovah hamely azy ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Asyria, dia nosamborin’ ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
2 Chronicles 36:10Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin’ ny fanaka tsara tao an-tranon’ i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an’ i Zedekia rahalahin-drainy tamin’ ny Joda sy Jerosalema izy.
Nehemiah 12:39ary hatreo ambonin’ ny vavahadin’ i Efraima ay teo ambanin’ ny vavahady taloha ary teo ambonin’ ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin’ ny vavahadin’ ondry; ary nilanona teo amin’ ny vavahadin-trano-maizina izy.
Proverbs 16:18Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
Isaiah 2:11Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.