Boky voalohan'ny Tantara 16:10
Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 16
Cross References
Exodus 39:43Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
Joshua 22:28Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran’ i Jehovah, izay nataon’ ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
1 Chronicles 28:11Ary Davida nanome an’ i Solomona zanany ny sarin’ ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
2 Chronicles 28:23Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo andriamanitr’ i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’ i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
Isaiah 8:2Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’ i Jeberekia.
Ezekiel 23:16Ary raha vao hitan’ ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.