Boky voalohan'ny Tantara 18:24
Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 18
Cross References
Deuteronomy 17:16Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
2 Kings 18:21Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Isaiah 10:8Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
Isaiah 31:1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.
Isaiah 36:6Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Jeremiah 37:7Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’ i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;