Boky voalohan'ny Tantara 19:29
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy avy tamin’ ny voa mihintsana ianareo iray taona, ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 19
Cross References
Exodus 3:12Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an’ Andriamanitra eto amin’ ity tendrombohitra ity ianareo.
Leviticus 25:5Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’ izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ ny tany izany.
Leviticus 25:20Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin’ ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
2 Kings 19:21Koa izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
2 Kings 20:8Ary hoy Hezekia tamin’ i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin’ i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon’ i Jehovah raha afaka ampitso?
Isaiah 7:11Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony.