Boky voalohan'ny Tantara 2:4
Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 2
Cross References
Joshua 6:26Dia nilaza fanozonana Josoa tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ ny lahimatoany no ho sazin’ ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ ny faralahiny no ho sazin’ ny hananganany ny vavahadiny.
1 Samuel 1:26Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’ i Jehovah.
2 Kings 2:2Ary hoy Elia tamin’ i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
Luke 19:1Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an’ i Jeriko.
Acts 11:23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.