Boky voalohan'ny Tantara 2:7
Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron’ i Jordana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 2
Cross References
1 Samuel 10:5Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midìna avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
1 Kings 18:13Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
2 Kings 2:17Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
2 Kings 5:22Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
2 Kings 9:1Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin’ ny zanakalahin’ ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikìna, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;