Boky voalohan'ny Tantara 2:9
Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’ i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ ny fanahinao mba ho ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 2
Cross References
Numbers 11:17Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
Numbers 27:16Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
Deuteronomy 34:9Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 Kings 13:14Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
2 Chronicles 1:9Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka teninao tamin’ i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin’ ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
Psalms 72:20Tapitra ny fivavak’ i Davida, zanak’ i Jese.