Boky voalohan'ny Tantara 21:18
Ary Manase lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin’ ny sahan’ i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 21
Cross References
2 Kings 21:26Ary nalevina tao amin’ ny fasany tao amin’ ny sahan’ i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Chronicles 21:20Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
2 Chronicles 24:25Ary nony nilaozany tamin’ ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ ny zanak’ i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
2 Chronicles 32:33Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny fiakarana ho any amin’ ny fasan’ ny zanak’ i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin’ ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
Jeremiah 22:19Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ ny vavahadin’ i Jerosalema.