The Bible Software
bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 22 › Boky voalohan'ny Tantara 22:13

Boky voalohan'ny Tantara 22:13

Mandehana ianareo, ka manontania amin’ i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin’ ny Joda rehetra ny amin’ ny tenin’ ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ ny razantsika ny tenin’ ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Go ye, enquire of the LORD for me, and for the people, and for all Judah, concerning the words of this book that is found: for great is the wrath of the LORD that is kindled against us, because our fathers have not hearkened unto the words of this book, to do according unto all that which is written concerning us.

In Context

12Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Akbora, zanak’ i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, hoe:

14Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tikva, zanak’ i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin’ ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.

Read all of Boky voalohan'ny Tantara 22

Cross References

Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,

Deuteronomy 27:26Hozonina izay tsy mankatò ny tenin’ ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?

2 Kings 3:11Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin’ i Jehovah va eto hanontaniantsika amin’ i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak’ i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan’ i Elia.

1 Chronicles 10:13Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’ i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’ i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’ izay nanao azy ho tsindrian-javatra

2 Chronicles 34:21Andeha manontany amin’ i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin’ ny Isiraely sy ny Joda ny amin’ ny tenin’ io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman’ ny razantsika ny tenin’ i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin’ io boky io.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky voalohan'ny Tantara 22:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky voalohan'ny Tantara 22:12Boky voalohan'ny Tantara 22Boky voalohan'ny Tantara 22:14 →