Boky voalohan'ny Tantara 23:13
Ary nolotoin’ ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan’ i Jerosalema, teo amin’ ny ankavanan’ ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, ho an’ i Astarta, fa havetavetan’ ny Sidoniana, sy ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, ary ho an’ i Milkoma, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23
Cross References
Numbers 21:29Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita.
Judges 10:6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
1 Samuel 7:4Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’ Isiraely ka nanompo an’ i Jehovah irery ihany.
1 Kings 11:5Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.
1 Kings 11:33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
Jeremiah 48:7Fa noho ny nitokianao tamin’ ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.