The Bible Software
bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 23 › Boky voalohan'ny Tantara 23:25

Boky voalohan'ny Tantara 23:25

Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’ i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And like unto him was there no king before him, that turned to the LORD with all his heart, and with all his soul, and with all his might, according to all the law of Moses; neither after him arose there any like him.

In Context

24Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin’ i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin’ ny lalàna voasoratra ao amin’ ilay boky hitan’ i Hilkia mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah.

26Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’ i Manase Azy.

Read all of Boky voalohan'ny Tantara 23

Cross References

Deuteronomy 6:5Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.

1 Kings 8:48ka dia miverina aminao amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin’ ny tanin’ ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao,

2 Kings 18:5Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin’ izay rehetra mpanjakan’ ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany

Nehemiah 10:29Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra mbamin’ ny vadin’ ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,

Jeremiah 22:15Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an’ ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin’ izany dia nambinina izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky voalohan'ny Tantara 23:25

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky voalohan'ny Tantara 23:24Boky voalohan'ny Tantara 23Boky voalohan'ny Tantara 23:26 →