Boky voalohan'ny Tantara 24:13
Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 24
Cross References
2 Kings 20:17Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
2 Chronicles 4:7Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia.
Isaiah 39:6Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
Jeremiah 27:16Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon’ i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
Jeremiah 28:6Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon’ i Jehovah anie izany! hotanterahin’ i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin’ ny hampodiana ny fanaky ny tranon’ i Jehovah mbamin’ ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin’ ity tanàna ity indray.
Daniel 5:2Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’ i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan’ ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony.