Boky voalohan'ny Tantara 25:13
Ary ireo andry varahina teo an-tranon’ i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon’ i Jehovah dia notorotoroin’ ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 25
Cross References
1 Kings 7:15Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin’ ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy.
1 Kings 7:27Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan’ ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
2 Chronicles 4:2Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
2 Chronicles 36:18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’ Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
Jeremiah 27:19Fa izao ny lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin’ ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ ity tanàna ity,
Lamentations 1:10Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin’ ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin’ ny fitoerany masìna.