Boky voalohan'ny Tantara 3:18
Ary ho zavatra kely ihany eo imason’ i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 3
Cross References
1 Kings 3:13Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin’ ny andronao rehetra.
1 Kings 20:13Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
1 Kings 20:28Ary nanatona ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nilaza tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
Isaiah 7:1Ary tamin’ ny andron’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’ i Syria, sy Pelza, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, hanafika an’ i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
Isaiah 49:6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
Jeremiah 32:27Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?