Boky voalohan'ny Tantara 4:13
Ary hoy Elisa tamin’ i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’ izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ ny mpanjaka va ianao, na amin’ ny komandin’ ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ ny fireneko aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 4
Cross References
Ruth 1:1Ary tamin’ ny andro nitsaran’ ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin’ ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny zanany roa lahy;
2 Samuel 19:32Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an’ i Jordana tamin’ ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an’ i Jordana.
2 Kings 3:15Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’ i Elisa ny tànan’ i Jehovah.
2 Kings 8:3Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin’ ny tanin’ ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin’ ny mpanjaka izy ny amin’ ny tranony sy ny taniny.
Psalms 37:3Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana.
Luke 9:3Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin’ ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.