Boky voalohan'ny Tantara 5:10
Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 5
Cross References
Exodus 4:18Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin’ i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin’ i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
Leviticus 14:7Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
Leviticus 14:51dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina sy eo amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
Leviticus 16:19Dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely.
Numbers 19:19Ary ny maloto dia hofafazan’ ilay olona madio amin’ ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin’ ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ ny rano, dia hadio rehefa hariva.
Joshua 6:13Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran’ i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.