Boky voalohan'ny Tantara 5:7
Ary nony efa novakin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan’ ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin’ ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 5
Cross References
Genesis 50:19Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
Deuteronomy 32:29Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
1 Samuel 2:6Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana.
1 Kings 20:7Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin’ ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin’ ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
2 Kings 18:37Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Daniel 2:11Ary sarotra ny zavatra anontanian’ ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin’ ny nofo.