Boky voalohan'ny Tantara 6:9
Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra kosa naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ ny Syriana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 6
Cross References
1 Kings 20:13Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
2 Kings 3:17Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
2 Kings 6:12Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ ny Isiraely ihany no milaza amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ ny trano fandrianao aza.
Psalms 33:10Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
Amos 3:7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.