The Bible Software
bible.software › Boky voalohan'ny Tantara › Boky voalohan'ny Tantara 7 › Boky voalohan'ny Tantara 7:2

Boky voalohan'ny Tantara 7:2

Fa namaly ny lehilahin’ Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then a lord on whose hand the king leaned answered the man of God, and said, Behold, if the LORD would make windows in heaven, might this thing be? And he said, Behold, thou shalt see it with thine eyes, but shalt not eat thereof.

In Context

1Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin’ ny koba tsara toto eran’ ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin’ ny vary hordea indroan’ ny famarana ao am-bavahadin’ i Samaria.

3Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan’ ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?

Read all of Boky voalohan'ny Tantara 7

Cross References

Genesis 7:11Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.

Numbers 11:13Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?

Numbers 23:19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

2 Kings 5:18Nefa ny amin’ izao zavatra izao dia aoka havelan’ i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin’ ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’ izany zavatra izany.

2 Kings 7:19ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.

Psalms 78:19Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky voalohan'ny Tantara 7:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky voalohan'ny Tantara 7:1Boky voalohan'ny Tantara 7Boky voalohan'ny Tantara 7:3 →